<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mba sainonao ange sao tsy mba fantatrao FFPM353</title>
<lyrics>[V1]
 Mba sainonao ange,
 Sao tsy mba fantatrao
 Ny zava-dehibe
 Nataoko ho anao :
 // Hevero, ka lazao, lazao
 Izay mba vitanao //

[V2]
 Ny lapako tarý,
 Ny fahefako tao,
 Nilaozako tatý
 Hanavotra aina anao :
 // Hevero, ka lazao, lazao
 Izay mba foinao //

[V3]
 Heveroronao ange,
 Ny nisoloanao anao ;
 Nangidy indrindra anie
 Ny nahazoana anao :
 // Hevero, ka lazao, lazao
 Izay mba nentinao //

[V4]
 Endre ! ny aiko koa
 Nomeko ho anao ;
 Tsy misy zava-tsoa
 Tsy foiko ho anao :
 // Hevero, ka lazao, lazao
 Izay mba taminao //

[V5]
 Ry Tompo be fitia !
 Endrey, ity vitanao ;
 Izaho izay mpania
 Tsy mahavaly izao :
 // Ny aiko no mba raisonao
 Hanao ny sitrakao //</lyrics>
<hymn_number>353</hymn_number>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>